Malagasy Bible

Zefania 1:3-10 Malagasy Bible (MG1865)

3. Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.

4. Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,

5. Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama,

6. Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.

7. Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.

8. Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.

9. Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.

10. Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanĂ na ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.