Malagasy Bible

Zefania 1:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.

2. Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;

3. Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.

4. Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,