Malagasy Bible

Ohabolana 6:32-35 Malagasy Bible (MG1865)

32. Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.

33. Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra.

34. Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany.

35. Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.