Malagasy Bible

Ohabolana 6:25-31 Malagasy Bible (MG1865)

25. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodimasony izy.

26. Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa.

27. Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?

28. Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony?

29. Dia toy izany izay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.

30. Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;

31. Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.