Malagasy Bible

Ohabolana 31:5-13 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.

6. Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;

7. Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.

8. Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;

9. Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

10. Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.

11. Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.

12. Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.

13. Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.