Malagasy Bible

Ohabolana 31:28-31 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:

29. Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.

30. Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.

31. Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.