Malagasy Bible

Ohabolana 3:8-16 Malagasy Bible (MG1865)

8. Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.

9. Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;

10. Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.

11. Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;

12. Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

13. Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.

14. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.

15. Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.

16. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.