Malagasy Bible

Ohabolana 3:21-35 Malagasy Bible (MG1865)

21. Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,

22. Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,

23. Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24. Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;

26. Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

27. Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;

28. Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.

29. Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

30. Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31. Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,

32. Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

33. Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.

34. Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.

35. Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.