Malagasy Bible

Ohabolana 3:16-33 Malagasy Bible (MG1865)

16. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.

17. Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.

18. Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.

19. Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20. Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.

21. Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,

22. Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,

23. Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24. Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.

25. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;

26. Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.

27. Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;

28. Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.

29. Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.

30. Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.

31. Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,

32. Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

33. Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.