Malagasy Bible

Ohabolana 3:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;

2. Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.

3. Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,

4. Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.

5. Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6. Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,

7. Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.