Malagasy Bible

Ohabolana 23:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,

2. Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.

3. Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.

4. Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.