Malagasy Bible

Ohabolana 16:9-27 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

10. Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.

11. An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.

12. Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.

13. Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.

14. Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.

15. Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.

16. Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

17. Ny manalavitra ny ratsy no lalamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.

18. Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.

19. Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.

20. Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

21. Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.

22. Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.

23. Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.

24. Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.

25. Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.

26. Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, Fa ny tendany no manesika azy.

27. Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.