Malagasy Bible

Ohabolana 16:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.

2. Ataon'ny olona ho madio avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.

3. Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.

4. Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.

5. Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina izy.

6. Ny famindram-po sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.

7. Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.

8. Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.

9. Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

10. Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.

11. An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.