Malagasy Bible

Nomery 4:25-37 Malagasy Bible (MG1865)

25. ny ambain'ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

26. ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin'ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin'ireo no ho fanompoany.

27. Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.

28. Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny Gersonita ny amin'ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin'izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak'i Arona mpisorona.

29. Ny amin'ny taranak'i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;

30. ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.

31. Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin'ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,

32. sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.

33. Izany no ho fanompoan'ny fokon'ny taranak'i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak'i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.

34. Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan'ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,

35. hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

36. Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.

37. Ireo no nalamina tamin'ny fokon'ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah nampitondrainy an'i Mosesy.