Malagasy Bible

Nomery 35:32-34 Malagasy Bible (MG1865)

32. Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.

33. Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.

34. Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.