Malagasy Bible

Nomery 2:29-34 Malagasy Bible (MG1865)

29. Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;

30. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

31. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.

32. Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.

33. Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

34. Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.