Malagasy Bible

Nomery 2:24-32 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.

25. Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

26. ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

27. Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;

28. ary ny miaramilany izay nalamina dia dimam-jato amby arivo sy efatra alina.

29. Dia vao ny firenen'i Naftaly; ary ny lohan'ny taranak'i Naftaly dia Ahira, zanak'i Enana;

30. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.

31. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Dana dia enin-jato amby fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Dia ireo kosa no vodi-lalana.

32. Ireo no nalamina avy tamin'ny Zanak'Isiraely, araka ny fianakaviany; ny tontalin'izay nalamina tamin'ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimam-polo amby dimanjato amby telo arivo sy enina hetsy.