Malagasy Bible

Nomery 2:2-14 Malagasy Bible (MG1865)

2. Samy eo amin'ny fanevany sy eo amin'ny faneva kelin'ny fianakaviany avy no hitobian'ny Zanak'Isiraely; manodidina ny trano-lay fihaonana sady manandrify azy no hitobiany.

3. Ary ny hitoby eo amin'ny lafiny atsinanana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia izay momba ny fanevan'ny tobin'i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Joda dia Nasona, zanak'i Aminadaba;

4. ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.

5. Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'Isakara; ary ny lohan'ny taranak'Isakara dia Netanela, zanak'i Zoara;

6. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina.

7. Dia vao ny firenen'i Zebolona; ary ny lohan'ny taranak'i Zebolona dia Eliaba, zanak'i Helona;

8. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina.

9. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Joda dia efa-jato amby enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no loha-lalana.

10. Ary ny fanevan'ny tobin'i Robena no ho eo amin'ny lafiny atsimo, araka ny antokony; ary ny lohan'ny taranak'i Robena dia Elizora, zanak'Sedeora;

11. ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina.

12. Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Simeona; ary ny lohan'ny taranak'i Simeona dia Selomiela, zanak'i Zorisaday;

13. ary ny miaramilany izay nalamina dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina.

14. Dia vao ny firenen'i Gada; ary ny lohan'ny taranak'i Gada dia Eliasafa, zanak'i Roela;