Malagasy Bible

Nomery 2:18-27 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;

19. ary ny miaramilany izay nalamina dia diman-jato amby efatra alina.

20. Ary ny firenen'i Manase ho eo anilany; ary ny lohan'ny taranak'i Manase dia Gamaliela, zanak'i Pedazora;

21. ary ny miaramilany izay nalamina dia roan-jato amby roa arivo amby telo alina.

22. Dia vao ny firenen'i Benjamina; ary ny lohan'ny taranak'i Benjamina dia Abidana, zanak'i Gideony;

23. ary ny miaramilany izay nalamina dia efa-jato amby dimy arivo amby telo alina.

24. Ny tontalin'izay nalamina teo amin'ny tobin'i Efraima dia zato amby valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.

25. Ary ny fanevan'ny tobin'i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny avaratra; ary ny lohan'ny taranak'i Dana dia Ahiezera, zanak'i Amisaday;

26. ary ny miaramilany izay nalamina dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina.

27. Ary ny hitoby eo anilany dia ny firenen'i Asera; ary ny lohan'ny taranak'i Asera dia Pagiela, zanak'i Okrana;