Malagasy Bible

Mpitsara 21:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.

2. Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy

3. nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely รด, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?

4. Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.

5. Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.

6. Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.