Malagasy Bible

Mpitsara 20:33-37 Malagasy Bible (MG1865)

33. Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.

34. Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.

35. Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

36. Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.

37. Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanĂ na rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.