Malagasy Bible

Mpitsara 18:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.

21. Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.

22. Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.

23. Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?

24. Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?

25. Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.

26. Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.

27. Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanĂ na nodorany tamin'ny afo.