Malagasy Bible

Mpitsara 18:12-25 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).

13. Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.

14. Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.

15. Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.

16. Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.

17. Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.

18. Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?

19. Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?

20. Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.

21. Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.

22. Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.

23. Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?

24. Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?

25. Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.