Malagasy Bible

Mpitsara 12:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,

6. dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.

7. Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.

8. Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.

9. Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.