Malagasy Bible

Mpitsara 12:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.

11. Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.

12. Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.

13. Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.

14. Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.

15. Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.