Malagasy Bible

Mpitsara 1:27-36 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.

28. Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

29. Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.

30. Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.

31. Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;

32. fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.

33. Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.

34. Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,

35. fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.

36. Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.