Malagasy Bible

Matio 25:31-41 Malagasy Bible (MG1865)

31. Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;

32. ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy;

33. ary hametraka ny ondry eo amin'ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin'ny ankaviany.

34. Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovĂ  ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;

35. fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

36. tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.

37. Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

38. Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?

39. Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-tranomaizina, ka novangianay?

40. Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.

41. Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: MialĂ  amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;