Malagasy Bible

Matio 24:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary dia hatolony ho amin'ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan'ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.

10. Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.

11. Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.

12. Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro.

13. Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

14. Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.

15. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin'izay fitoerana masina ny fahavetavetan'ny fandravana, izay nampilazaina an'i Daniela mpaminany (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany),

16. dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;

17. ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;

18. ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

19. Ary lozan'ny bevohoka sy ny mampinono amin'ireo andro ireo!

20. Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.

21. Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.