Malagasy Bible

Matio 13:51-54 Malagasy Bible (MG1865)

51. Efa azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo taminy: Eny.

52. Dia hoy Izy taminy: Koa amin'izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin'ny fanjakan'ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin'ny firaketany zava-baovao sy ela.

53. Ary rehefa vitan'i Jesosy ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy.

54. Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany?