Malagasy Bible

Marka 8:18-36 Malagasy Bible (MG1865)

18. Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?

19. Raha ny mofo dimy no novakiko ho an'ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin'ny folo.

20. Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.

21. Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?

22. Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.

23. Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan'ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?

24. Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.

25. Dia napetrany tamin'ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.

26. Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.

27. Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin'ireny tanàna momba an'i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho?

28. Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin'ny mpaminany.

29. Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.

30. Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin'olona.

31. Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.

32. Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.

33. Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona.

34. Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.

35. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.

36. Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?