Malagasy Bible

Marka 6:7-13 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.

8. Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.

9. Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.

10. Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.

11. Ary izay tanĂ na tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.

12. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.

13. Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.