Malagasy Bible

Marka 10:3-14 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?

4. Ary hoy izy: Navelan'i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1).

5. Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;

6. fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona (Gen. 1.27).

7. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny;

8. ary ho nofo iray izy roroa (Gen. 2. 24); ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.

9. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

10. Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin'izany koa ny mpianatra.

11. Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.

12. Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.

13. Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.

14. Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarĂ na; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra.