Malagasy Bible

Marka 1:4-9 Malagasy Bible (MG1865)

4. dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.

5. Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.

6. Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

7. Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.

8. Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina.

9. Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.