Malagasy Bible

Marka 1:22-27 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.

23. Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy

24. ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao.

25. Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy.

26. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy.

27. Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.