Malagasy Bible

Marka 1:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.

2. Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1);

3. Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3),

4. dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka.