Malagasy Bible

Joba 8:9-21 Malagasy Bible (MG1865)

9. (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);

10. Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11. Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?

12. Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.

13. Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,

14. Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15. Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16. Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;

17. Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;

18. Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19. Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.

20. Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21. Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.