Malagasy Bible

Joba 6:14-29 Malagasy Bible (MG1865)

14. Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.

15. Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,

16. Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;

17. Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;

18. Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.

19. Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;

20. Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.

21. Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.

22. Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,

23. Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?

24. Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.

25. Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?

26. Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.

27. Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.

28. Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.

29. Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.