Malagasy Bible

Joba 39:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?

2. Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?

3. Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.

4. Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.

5. Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,

6. Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?

7. Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanĂ na; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;

8. Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.

9. Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?