Malagasy Bible

Joba 36:19-32 Malagasy Bible (MG1865)

19. Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?

20. Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.

21. Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.

22. Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?

23. Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?

24. Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.

25. Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.

26. Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.

27. Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,

28. Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.

29. Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?

30. Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.

31. Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.

32. Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;