8. Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.
9. Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10. Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11. Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
12. Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
13. Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
14. Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
15. Very hevitra terį»³ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16. Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17. Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;