Malagasy Bible

Joba 32:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.

14. Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.

15. Very hevitra terį»³ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.

16. Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?

17. Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;

18. Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.

19. Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.

20. Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.

21. Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.