Malagasy Bible

Joba 32:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.

2. Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.

3. Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.

4. Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.