Malagasy Bible

Joba 16:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.

3. Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?

4. Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;