Malagasy Bible

Genesisy 9:14-29 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,

15. dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.

16. Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.

17. Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.

18. Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.

19. Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.

20. Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.

21. Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.

22. Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.

23. Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.

24. Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy.

25. Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy.

26. Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.

27. Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.

28. Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.

29. Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.