Malagasy Bible

Genesisy 9:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.

2. Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.

3. Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.

4. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.

5. Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tanan'ny manan'aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tanan'ny olona, dia eo amin'ny tanan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona.

6. Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.

7. Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.

8. Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:

9. Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo

10. sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.

11. Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.