Malagasy Bible

Genesisy 8:18-22 Malagasy Bible (MG1865)

18. Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;

19. Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.

20. Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.

21. Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.

22. Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.