Malagasy Bible

Genesisy 8:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.

2. Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.

3. Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.

4. Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.

5. Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.

6. Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.

7. Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.

8. Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.

9. Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.