Malagasy Bible

Genesisy 49:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:

3. Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.

4. Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!

5. SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;

6. Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.