Malagasy Bible

Genesisy 41:12-14 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

13. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.

14. Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao anĀ­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.