Malagasy Bible

Genesisy 40:2-9 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.

3. Dia natao­ny tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.

4. Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.

5. Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.

6. Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.

7. Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?

8. Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.

9. Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;